Actualités

Jean Nirina Rafanomezantsoa “Raisina miabo ny fanenjehana”


  • Alatsinainy 06 Febroary 2023

Miarahaba ny Barea aho, hoy ny filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, nahavita dingana goavana.

Nisy antony maro, hoy izy, nahatonga fahombiazana fa amin’ny fanatanjahantena dia firaisankina sy firaisam-po no voalohany. Eo amin’ny fiainan’ny tsirairay, tsy voatery ho manam-pahaizana daholo vao ho tafita. Ny feon’ny fiheritreretana avy amin’ny fanahy masina ao anatinao no antoky ny fahombiazanao. Tsy nisy nateraka ho resy. Misy foana ny fitsapana ary mila mahalala ny tsirairay fa matoa ianao hatao hoe mpandresy dia nisy ady natrehina. Tsy tokony ho sakana amin’ny fiainan’ny tsirairay ny fanenjehana sy fanakianana fa mila mahatratra tanjona. Tsy mila kivy. Tsy mila matahotra fa tena vonona hibanjina fandresena. Misy fepetra ahatongavana amin’ny fandresena anefa dia ny famelan-keloka sy tsy famoronana ady. Raha te ho mpandresy ianao dia mila fahadiovam-po sy tso-drano ary ny tanjaky ny fanahy. Ny tanjaky ny fanahy dia ny soa vitanao sy vavaka mangiana ataon’ny manodidina anao manampy ny fanahinao. Aza misy kivy ary aza misy matahotra. Ny manodidina anao no harenanao voalohany. Rehefa misokatra amin’ny mpiara-belona ianao dia mahazo antoka fa tsy mahantra. Mila matoky tena ny olona tsirairay avy. Mila fahasahiana mamoaka ny herin’ny fanahy amin’ny alalan’ny tsindrimandry. Mila raisina miabo ny fanenjehana. Ny ahy izao noraisiko ho anarana enti-miady na “nom de guerre” ary nanaovako T-Shirt mihitsy ny “sektambra”. Ilaina ny manetry tena, mametra-pialana rehefa tsy mahomby na tsy mahay ny andraikitra nomena ny tena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT