Nitondra lafin-tsaran-javatra ho antsika teto Madagasikara ny fisian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19 hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy
FITRAMA omaly raha nahita kosa ny olona sasany fa krizibe iny nolalovana iny. Nataon’Andriamanitra nandalo teto amintsika izany hoy izy mba hanarenana ny tsy mety ka anisan’ireny ireo kamo be tenda zatra miandry fotsiny. Maniraka antsika hiasa ary hanao ny tsaratsara kokoa ireny tranga ireny hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina no sady manosika ny rehetra mba hifankatia sy hifanohana ihany koa. Ho an’ny tantsaha manokana izay mandrafitra ny 85 %-n’ny Malagasy dia nomarihiny fa mbola afaka niompy sy namboly ihany izy ireny na dia nisy aza ny olana teo amin’ ny famoaham-bokatra. Izy ireny hoy izy no niantoka ny fahafahan’ny olona nividy sakafo teny an-tsena izay tena mendrika ampiana tokoa raha tiana ny hamahana ny olana ara-tsakafo eto Madagasikara. Fotoana ihany koa ireny hoy Rafanomezantsoa ahitan’ny Fitondram-panjakana izay olona tena vonon-kiara-hiasa aminy hampandrosoana ny firenena. Iza no tena nahavita hoy izy ary iza no mitondra anarana fotsiny fa tsy nanao zavatra ? Nomarihiny moa fa anisan’ny mbola tena manimba antsika eto amin’ny firenena ihany koa ny toe-tsaina ory hava-manana ka rehefa misy mikitika ny tany iray dia mipoitra ireo milaza ho tompony nefa hatramin’izay tsy nisy niraharaha. Mila manova toe-tsaina isika hoy izy raha te-handroso marina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.