Mbola azo lazaina ho miaina anaty savorovoro Rafanomezantsoa Jean Nirina ankehitriny, tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA taorian’ny nisitahany tsy niara-niasa intsony tamin’ilay mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre.
Na izany aza anefa dia nanazava tamin’ny mpanao gazety izy omaly fa tsy mampifandray velively ny fanafihana nahazo ny mpiambina azy tamin’ny zoma alina lasa teo sy ny olana teo anivon’ny fikambanana FITRAMA. Teny am-bavahady no nisy ny fanafihana hoy izy fa tsy tany an-tokantranoko, tranga naharatrana mpiambina roa ka ny iray mbola tsaboina. Nomarihiny ihany koa fa tsy nisy ny zavatra very. Tsy miahiahy na iza na iza izy araka izany ary nitsotra fa aleo ho anjaran’ny mpitandro ny filaminana ny hamoaka ny valin’ny fikarohana nataony na rahoviana na rahoviana. Mikasika an-dRakotondranaivo Jean Pierre sy ny ANTM indray na foibem-pirenen’ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana dia nomarihiny manokana fa tsy misy idirany. Fampanarahan-dalana no hataon’ny ANTM hoy izy tahaka ny fidiran’ny Mpitsabo Malagasy FITRAMA ao anatin’ny ara-dalana ihany koa izy tsy handriany andro aman’alina ny fikarakarana ny antontan-taratasy mahakasika izany. Toraka izany ihany koa ny fampiakarana ny etika sy ny deontolojian’ny mpitsabo nentim-paharazana izay tena imasoany tanteraka amin’izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.