Actualités

Jean Nirina – Filohan’ny HAFARI Nivoaka ny fonja, afaka madiodio


  • Sabotsy 23 Septambra 2017

Nivoaka ny fonja omaly zoma 22 septambra rehefa avy namita sazy nandritra ny herintaona mahery teny amin’ny fonjaben’Antanimora ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

 Omaly vao nivoaka ny didy mifandraika amin’izany izay marihina fa nanafaka azy madiodio tao anatin’ireo fitoriana nahatratra 104 nanenjehana azy. Nambarany fa nametraka foana ny fahatokisany ny  fitsarana ny tenany sy ny fikambanana entiny tao anatin’izay fotoana lavalava izay.  Tsy diso mihitsy, hoy hatrany izy, ny fampanoavana raha nampiditra am-ponja vonjimaika ny tenako satria be loatra ireo dosie nanenjehana ahy. Notsiahiviny fa hiverina hiasa amin-kery  indray  ny tenany manomboka  izao entina hanampiana ireo mpiara-belona sahirana ara-pivelomana sy hiharan’ny tsindry hazo lena. Tsy latsa-danja amin’izany ny asa fampiroboroboana ilay tetikasa fifindra-monina any Soaniedanana PK 67.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT