Actualités

Jean Navandahy Ratiharison “Tsy manana ny tena safidiny


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

amin’izao fahantrany izao ny Malagasy”

Tsy azo ialana ny fifidianana, raha ny lalàmpanorenantsika, hoy ny Za gasy sahy mandroso. Misy ve ny fahavononan’ny olompirenena hiatrika fifidianana, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Navandahy Ratiharison? Misy koa ve ny fahavononan’ireo mpisehatra politika hiatrika izany? Tsia no valiny! Iaraha-mahita fa raha ho alefa ny fifidianana dia tsy hadio. Tsy ilay tena ho safidin’ny olompirenena noho izany no ho lasa filoham-pirenena. Na ny olompirenena hiatrika fifidianana na ny olompirenena misehatra ao dia samy miara-mahita fa tsy tomombana ary tsy ny tena safidim-bahoaka no hipoitra. Eo koa ny resaka fahasahiranam-bahoaka. Ny olona sahirana tsy afaka hanao politika. Ny 80%n’ny gasy miaina anaty fahantrana, izany hoe, tsy manam-potoana handinihina politika na raharaham-pirenena. Ilay kibo noana no mibaiko azy. Manana ny safidiny izy fa ny safidiny ambony indrindra dia ilay kibo noana. Mety tsy ilay tena safidim-bahoaka fa safidin’ny kibo no hivoaka. Izay mahatolotra na manana fahefana hanolotra amin’izay lafiny hanohanana izay no tena ho tafapetraka eo. Efa hitantsika mandeha ny vatsy tsinjo sy ny tsinjotsinjo rehetra. Tsy maintsy hisy izany ny fividianana olona. Fividianana amin’ny alalan’ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy manana ny tena safidiny ny malagasy amin’izao fahantrany izao. Aleony maty rahampitso toy izay maty anio. Raha misy ny fiarahamonim-pirenena izay misahana ny fanabeazana olompirenena dia tokony ho olompirenena mandray andraikitra be dia be no hita eto. Tsy fiarahamonim-pirenena amin’izay anarany izay anefa no hita fa fiarahamonim-pirenena ho an’ny fianakaviana, izany hoe ho an’ny tombontsoam-pianakaviana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola azo amin’ny anaran’ny fiarahamonim-pirenena. Tomponandraikitra amin’ny tsy fahatongavan-tsain’ny olompirenena ny fiarahamonim-pirenena. Tsy mbola fifidianana izany no laharam-pahamehana raha ny toerana misy ny vahoaka malagasy ankehitriny fa fikaonan-dohan’ny olompirenena sy mpisehatra politika satria tsy maintsy mpisehatra politika no hitondra firenena. Raha handeha any amin’ny fifidianana anefa dia tokony hanana kandida iray ny mpanao politika mahita an’izay toe-javatra izay satria ahafahan’ilay kandida manasonia sata hifanarahana irosoana amin’ny tena fikaonandoham-pirenena izay avy eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT