JEAN MICKAEL RAKOTONIAINA

Mitady mafy ny Reniny niteraka azy


  • Zoma 03 Mey 2024

Lehilahy Malagasy efa manodidina ny 40 taona i Jean Mickael Rakotoniaina.

Fony izy mbola kely dia natsangana tera-tany Frantsay mivady rehefa notezaina sy nobeazina tao amin’ny toerana fitaizana zaza kamboty tao Fianarantsoa ka lasa nonina sy nitoetra tany am-pitandranomasina. Ankehitriny mitady mafy ny Reniny niteraka azy izy. Raha araka ny fanazavany dia Soloarimalala Rakotoarivony no anaran-dReniny izay nonina tao Mataipako. 20 taona io Reniny io tamin’izany fotoana ary mbola tadidiny tsara. Miantso izay mahita na mahalala io Reniny io araka izany i Jean Mickael mba hifanoratra aminy hahafahan’izy mianaka mihaona indray. Efa mihamanakaiky rahateo ny fetin’ny Reny. Noho ny olana ara-pitiavana sy ny tsy fahampian’ny ho enti-manana moa no voalaza fa nahatonga azy mianaka ireto nisara-toerana tahaka izao koa fanirian’i Jean Mickael indray ny hitoetra eo akaikin-dReniny.
Pati
Legende : Ity no sarin’Atoa Jean Mickael Rakotoniaina fony fahakeliny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT