JEAN MICHAEL, ZAZA VERY TENY ANKAZOMANGA

Efa hita, tombanana ho tratry ny tamberin-tany


  • Talata 19 Martsa 2024

Efa hita soa aman-tsara afak’omaly Alahady 17 Martsa tokony ho tamin’ny 08 ora alina

Tolojanahary Jean Michael, ilay tovolahy kely vao 12 taona monja very teny Ankazomanga ny Zoma 15 Martsa teo. Ny olona nampiantrano azy raha araka ny fanazavan-dRainy, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Sefo Jean no nanatitra azy tao amin’ny fianakaviany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niala tao an-tokantrano i Tolojanahary tamin’io Zoma 15 Martsa maraina io mba hiantsena. Tsy fantatra anefa hoy ny Rainy na tratry ny tamberin-tany izy na voan’ny fahaverezan-tsaina tampoka fa tsy niverina lasa nilalao tamin’ny ankizy tany Ambohimanarina. Rehefa hariva anefa ny andro dia nampianatranoana tokantrano iray izy ka nijanona natory tany. Nikoropaka nandeha tany amin’ny hopitaly, nanatona ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana no sady nametraka sary hanaovana ombay mitady azy ireo fianakavian’i Tolojanahary ny Sabotsy maraina teo mba hahafantarana izay misy azy. Ity farany kosa tetsy an-daniny nitomany tsy nijanona ka naterin’ireo olona nampiantrano azy tetsy amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana. Efa nipetaka tao ny sarin’i Tolojanahary tamin’io fotoana io fa very izy hoy ny Rainy. Na izany aza dia mbola nisy nalefan’ny polisy nanaraka ireo olona nampiantrano azy ihany i Tolojanahary hoy ny Rainy ka nentin’iretsy voalohany niverina indray. Nahita tampoka ny vaovao tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook ny momba an’i Tolojanahary anefa ireo olona nitazona azy ka niantso ny Ray aman-dReniny afak’omaly Alahady maraina no sady nanatitra azy teny Ankazomanga. Salama tsara ilay zaza ankehitriny, tsy misy ahiana ihany koa ny momba azy hoy hatrany ny Rainy.
Pati
Legende : Ity I Tolojanahary Jean Michael kely efa tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT