Jean Marc, maty notifirin’ny polisy teny Ambodin’Isotry

Manitrikitrika ny havany fa tsy jiolahy, niniana novonoina,…


  • Zoma 06 Septambra 2024

Namoaka fanambarana mikasika ny famonoan’ny polisy an’ilay tovolahikely 19 taona

mitondra ny anarana Rakotoson François Jean Marc mponina eny Ankasina ny fianankaviany omaly, ka nilaza fa tsy jiolahy ny havan’izy, saingy novonoina ankitsirano ny 30 aogositra 2024 tamin’ny 4ora maraina teny Ambodin’Isotry. Nirahin’ny reniny nividy fahana finday na « crédit » nitondra vola 5000 saingy tsy niverina intsony, ary tsy nisy nandray ny finday rehefa nantsoina, fa ny fatiny sisa no noraisina. Mpanendaka sy jiolahy mpamerin-keloka, ary namoaka sabatra no voalaza fa antony nitifiran’ny polisy azy. Samy nandiso an’io anefa na ireo Raiamandreniny na ny mpiara-monina aminy, ka nanazava fa nosamborina tokony ho tamin’ny 7 ora harivan’ny 29 aogositra i Jean Marc. Tifitra teo amin’ny tendany sy ny fony ary ny kibony avy aty anoloana no ambaran’ny havany. Nilaza ireo fianankaviany, fa nisy vavolombelona nanatrika izany. Ny marainan’ny 30 aogositra tokony ho tamin’ny 4ora maraina, zaza efa nandohalika nifona no nodakana, ary nitsirara tamin’ny tany, ary nisy vavolombelona nahita an’izany, hoy ireo havany. Tsy hita teny aminy intsony ny finday sy ny vola ary ny peratra teny aminy. Porofoy mazava fa misy zavatra na raharaha efa nanenjehana azy, na sariny milaza izany, ary ataovy « pièce à conviction » ny finday lazainareo fa nangalariny, hoy ireo havany. Andaniny, vao niseho ny raharaha, dia nanao taratasy ny fokontany, vaomieran’ny fandriampahalemana, ny 30 aogositra fa : i Jean Marc dia tsy mpangalatra, tsy misotro toaka, tsy mifoka, ankizy tia fianarana,… ka nanaovan’izy ireo fanamarihana hampiseho an’izay rehetra mila izany. Nanasonia izany moa ireo mpiara-monina tamin’i Jean Marc. Mpianatra tao amin’ny LMA Ampefiloha kilasy famaranana ity tovolahy matin’ny polisy ity, ary tsy nisy taratasin-tsazy momba azy, raha ny fanamarihana. Hampiakatra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ny fianankaviany anio, ary miantso ny Minisitry ny Fitsarana. Andrasana ny mety ho setriny avy amin’ny Polisim-pirenena sy ny tohin’ny raharaha !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT