Actualités

Jean Eric Rakotoarisoa “Aza maika ny hamangy sy hiandry faty…”


  • Sabotsy 18 Jolay 2020

Mitandrema, hoy ny hafatry ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa, manoloana ny zava-misy mikasika ny fipariahan’ny valanaretina Coronavirus eto amin’ny firenena.

 

 

 

Nampita hafatra ny tenany ho an’ireo havany sy sakaizany ary namany fa raha vao misy olona matin’ny aretin’ny fahasemporana na “Asthme”, AVC, Diabeta, aretin’ny voa na “insuffisance reinale”, harerahana tafahoatra na “fatigue générale” any amin’ny fokontany any dia efa mila mailo isika. Mitandrema ianareo fa mety Coronavirus no ao ambadika, hoy izy. Aza maika ny hamangy, hiandry faty, handevina fa lanjalanjao tsara! Diniho! Sao dia ny adidy no hampody any amin’ny Ray, hoy hatrany ny tenany. Tsy fotoanan’ny adidy amin’ny fiarahamonina intsony izao fa arovy ny tenanao sy ny ankohonanao, hoy hatrany ny filohan’ny HCC.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT