Taorian’ny dingana voalohany nanaovana fampahafantarana tamin’ny ankapobeny ny mikasika ny JCI teny Tanjombato sy ny dingana faharoa nanatanterahana ny fampiofanana tamin’ireo liana ny mikasika ny « mission »
takian’ny fikambanana amin’ireo mpikambana ao aminy dia nanatanteraka fivoriana voalohany fananganana rafitra ny sampana JCI Tanjombato ny alahady 24 aogositra teo ka tafatsangana ofisialy avy tamin’izany ny JCI Tanjombato Elatr’Iarivo. Amin’ny alahady heriny, 31 aogositra 2014, ao anatin’ny fivoriana fananganana rafitra andiany faharoa hotontosaina ao amin’ny efitrano fivorian’ny kaominin’i Tanjombato ihany toy ny tamin’ny alahady teo no hahafantarana an’ireo ho filoha hitarika ity fikambanana ity miaraka amin’ireo mpikambana anaty birao hiara-kiasa aminy. Enin-kaja enim-boninahitra ireto tanora nanodidina ny 30 isa ireto, araka ny fetrisa takiana amin’ny fananganana fikambanana, fa tonga nanotrona ity fotoana teny Tanjombato ity omaly ankoatra ny Ben’ny tanàna , Rakotondrabe Maurice tompon-trano sady tompon-kevitra ihany koa, ny « Président de la Renaissance de la JCI », Atoa Razafimbahiny Christian notronin’ny filohan’ny JCI Antananarivo, Rakotozafy Tojo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.