Fampahafantarana ny asan' ny tafika an-tanety indrindra taorian' ny fanovana teo anivon'ny tafika.
Izany dia anisan' ny teboka lehibe nifampiresahana omaly teo amin'ny masoivoho japoney monina sy miasa eto amintsika sy ny lehiben'ny Etamazaoron' ny tafika an-tanety. Noderain' ity ambasadaoro ity ny fihetsika fanampiana ataon'ny tafika amin'izao ady amin'ny Covid 19 izao. Manantena ihany koa ity masoivoho ity ny hitohizan' ny fifandraisana ara-tafika eo amin'ny firenena roa tonta. Etsy andaniny, "vonona hifanome tanana izahay" hoy ny lehiben'ny Etamazaoron'ny tafika an-tanety, Jeneraly Rakotoniaina Jean Aimé.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.