Actualités

James Ratsimba Mitsikera ny Frantsay, miantso iala amin'ny fanjanahana


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Taorian'ny fetim-pirenena Frantsay izay nankalazaina ny 14 Jolay lasa teo dia betsaka ny feo nandeha

Anisan'ny tena nanahirana ireo manan-tsaina teto amin'ny firenena  ny fanambanian'ny ambasadaoro Frantsay antsika sy ny nilazany fa ry zareo foana no nametraka ny olona nitondra teto amin'ny firenena hatramin'izay no sady nanaisotra izay tiany nesorina. Naneho ny heviny mikasika izany  i James Ratsimba, filohan'ny antoko Fihavanantsika omaly notronin'ireo mpikambana ao amin'ny Mandatehezan'ny Tena Tia Tanindrazana sy ny Asandratro ny Fireneko. Nambarany fa hanolotra tondrozotra vaovao izy ialana amin'ny fanjanahana izay tena efa manandevo antsika loatra. Tsy ekena intsony, hoy izy ny fanjakazakan'ireo olon'ny Frantsay eto amin'ny firenena izay miezaka mampiady sy mampifandramatra ny samy Malagasy no sady mamotika ny firenena ihany koa. Tsy maintsy hatao, hoy ihany izy ny manilika ireo pro-frantsay sy ny manadio ny voka-dratsy nentiny indrindra, fa ny toe-tsaina ary mametraka zava-baovao mifanaraka amin'ny maha malagasy antsika. Isika ihany hoy i James Ratsimba no tokony hanapaka ny ho avintsika. Isika ihany koa no tokony handidy ny harena eto amin'ny firenena fa tsy ny vahiny no hibaiko. Vahaolana aroson'izy ireo araka izany ny tokony hahatongavan'ny tsirairay saina  ka hibaboka tamin'ny fahadisoany sy hanadio ny toe-tsainy. Anisan'ny hanaovan'izy ireo antso avo ao anatin'izany ireo raiamandreny am-panahy izay tokony hanarina ilay fanahy maha-olona fa tsy hangarona ny paosin'ny mpino fotsiny. Nanambara moa i James Ratsimba fa tsy hangina ny tenany na dia efa nosamborina in-telo aza raha tsy mahatratra ny tanjona tiany hokendrena, ho tombontsoan'ny taranaka faramandimby.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT