Actualités

James Ratsima “Tsy nety ny fihetsiky ny filoham-pirenena tamin-dRavalomanana”


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra ataon’ireo mpanao politika eto amin’ny tany sy ny firenena manoloana ilay tranga

 

tany Antsiranana ny herinandro teo ka nandroahana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mivady tao amin’ny hotely iray lehibe efa nofandrihin’izy ireo, nandritra ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fiangonana FJKM. Ho an’ny profesora James Ratsima manokana izay filohan’ny fikambanana Asandratro ny firenena dia nambarany fa tena tsy nety ireny fihetsiky ny filoha am-perinasa nandroaka olona tamin’ny alalan’ny mpitandro ny filaminana ireny. Sotasota fotsiny izao ireny raha ny fahitany azy. Tsy ho eo amin’ny fitondrana mandrakizay mantsy ny filoha fa fahefana mandalo ihany io ary nampindramin’ny vahoaka azy. Tsy mbola fantatra izay havoaky ny ampitso. Nomarihiny manokana moa fa tsy misy tompon’ny fahefana mandrakizay ny mpitondra tsirairay fa tsy maintsy hitsahatra izany ary efa akaiky aorian’ny fahatongavan’ny fahazavan’Andriamanitra eto amin’ny firenentsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT