Tena ilaina ny firaisan-kiana fa ialahy izao samborin’ny mpanao politika na ny mpitondra fanjakana, dia ny sasany mijery fotsiny.
Aza adino fa rahampitso sy rahafak'ampitso fa ilay mijery fotsiny iny mety hororitin’ny olona any amin’ny tribonaly, dia havadibadika eo ny fomba hanenjehana anao , hoy ny Filohan’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha James Ramaroson omaly nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety teny Analakely. Izany dia efa fanamarinana ilay hoe fahalemena. Isika tsy maintsy miatrika ny tontolo feno, dia ny mpihaino, ny mpijery, ny olona hizarantsika ny vaovao, indrindra fa ny mpanao politika izay indraindray manirikiry sy manozongozona an’izay fahafahana sy fahalalahana izay, hoy izy. Notsipihiny ihany koa anefa, fa ilaina ny fahaizana fa tsy izay olona tsy mahita asa rehetra izao mahay mitazona micro na mahay manoratra dia hanao gazety na tsaratsara tarehy dia handeha hanao mpanao gazety, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.