Henjakenjana ny tranga fanenjehana sy fampihorohoroana na
fandemen-tsaina natao ny mpanao gazety tato ho ato, na avy amin’ny haino aman-jery eto an-toerana io na avy amin’ny Iraisam-pirenena. Omaly izao, dia nivoaka ny taratasy avy amin’ny fianankaviamben’ny TV5 Monde nanoloana ny fanenjehana ny mpanao gaziny eto dia i Gaelle Borgia (TV5 Monde), ka nanameloka ny fandrahonana sy nanamafy ny fitokisana ho azy, raha toa ka nangataka fanoloana an-dry zareo kosa ny Fanjakana Malagasy. I Gaelle Borgia sy Pauline Le Troquier (RFI) izay nananan’ny Fanjakana eto olana. Naneho hevitra momba ireny toe-javatra mahazo ny mpanao gazety ireny teny amin’ny Foiben’ny HCDDED Nanisana, Atoa James Ramarosaona, filoha lefitry ny HCDDED sady efa mpitarika ny Holafitry ny Mpanao Gazety (OJM) nandritry ny fotoana naharitra. « Manameloka ny sakantsakana rehetra amin’ny fanatontosan’ny Mpanao Gazety ny asany ny tenako ; izay maro karazana, tahaka ny fampitahorana, fampihorohoroana, fihantsiana mety tonga amin’ny fampiasan-kery » hoy izy nanameloka ny nitranga tamin’ny Mpanao Gazety Tsilavina Randriamanga sy Gaêlle Borgia, na tsy nanonona anarana aza izy. Naneho fa manohana ny fandraisan’andraikitry ny OJM amin’ny fiarovana ny mpampahalala vaovao. Notsipihany fa maneran-tany ny fiarovana ny mpanao gazety fa tsy mihanona fotsiny eto, ka nanasoniavany ny Antso ho an’ny Firaisankinan’ny Mpanao gazety nizeriana miasa ao Parisy, ka mahatsiaro tsindry avy amin’ny mpitondra frantsay amin’ny fanaraha-maso ny antso an-tariby, sms, ary fifandraisana mail-ny. Marihina fa isan’ireo mpanao Gazety 130 avy amin’ny kaontinanta afrikana manao sonia io antso i James Ramarosaona. Nanentana mafy amin’ny fifehezana ny asa, indrindra fa ny firaisan-kinan’ny Mpanao gazety izy, «Satria iray aina, iray vatsy ! Koa na Mpanao gazety any amin’ny faritra, na eto an-drenivohitra, na koa vahiny solontenan’ny haino aman-jery eto Madagasikara, dia tsy afaka manavatena amin’ny firaisankina, ho antoky ny fahamendrehana sy ny maha olona », hoy izy. Aminy, ny fifehezana ny asa, ny firaisankina sy ny fijoroana miteny ary fahalalanan’ny gazety no fepetra ahafahana mitazona ny fahefana faha-4. « Mpamelona ny demokrasia, mpamolavola hevitra sy mpitsoka anjomara fanairana ny mpanao gazety ka toky hampiasa ny fahefany ampahamendrehana », hoy hatrany izy. Manao antso koa izy amin’ireo ankolafy kery maro tsy anavahana, indrindra ny mpanao politika na eo amin’ny fitondrana na ao amin’ny fanoherana « fa ilaina ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fifanajana ny tsirairay, ary tsy mpifahavalo, fa mitaky ny rariny sy ny hitsiny ary mitady ny marina amin’ny fitaterana ny vaovao marim-pototra ho amin’ny fandrosoan’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.