Actualités

Jamborée “Hintsy 2014” Skoto 3.000 tonga ao Moramanga


  • Talata 02 Septambra 2014

Efa tonga ao Moramanga hatramin’ny 30 aogositra teo ireo skoto miisa 3.000 mandray anjara amin’ny hetsika “Jamborée Hintsy 2014” izay tsy hifarana raha tsy ny 06 septambra ho avy izao. Ny alahady 31 aogositra teo ny lanonam-panokafana izany tao Moramanga, izay natrehan’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Atoa Mahazohasy Freddy sy ny depiote Randriamahefa Henri Charles ary ireo filoham-pikambanana skoto manerana ny nosy sy avy any frantsa. Nazava ny lahatenin’Atoa Mahazohasy Freddy

fa “fikambanana mahafeno ny fomba fanabeazana tanora lahy sy vavy ny skotisma malagasy, koa mendrika ny hisy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana ho azy ireo mba tena hanana olom-banona”. Ny filoha nasionalin’ny Antily ihany koa nanitrikitrika, fa “tsy mbola misy fikambanana mahafeno fepetra takian’ny iraisam-pirenena amin’ny fitaizana tanora lahy sy vavy eran-tany ankoatra ny skotisma”. Lohahevitra efatra lehibe momba ny fanabeazana sy dinika no hisongadina mandritra ny herinandron’ny  « Jamborée Hintsy 2014 » ao Moramanga ity, dia ny momba ny ady atao amin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny fampihavanam-pirenena sy firaisam-pirenena, ny fandriampahalemana. Ity farany izay tsy nahatonga ireo skoto 700 nefa efa nisoratra anarana fa handray anjara, ny Antilin’i Madagasikara vonona handray andraikitra amin’ny fampandrosoana  ny firenena. Amin’ny maha fotoan-dehibe ny “Jamborée Hintsy 2014”, dia nampahafantarina teo imason’ny rehetra ireo filoha vaovao miisa 20 mandrafitra ny ekipa nasionaly taorian’ny fivorian’ny filoha nasionaly tany Antsirabe farany teo. Natolotra tamin’io andro io ihany koa ny “tapa-porohana” ho an’ ireo mpiandraikitra sy filoha nahavita be teo amin’ny fanabeazana skoto, anisan’ny notolorana ny filohan’ny Antily zoky Toamasina, Sabotsy José, izay sady mpanao gazety ihany koa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT