Maro ny mpanao gazety manana olana amin’ny fananana ny karatra maha matihaninana izay miteraka olana amin’ny fanatanterahana ny asa, hoy ny Tale Jeneralin’ny Serasera mpisolo toerana Atoa Mamimbahoaka Fetra Niaina.
Mety manana ny heveriny fa finiavana tokoa ity Minisitera amin’ny fiheverany fa ny fanomezana io karatra izay anjaran’ny OJM io no anjara fiarovana ny mpanao gazety. Anjara asan’ny OJM io raha ny tena marina. Ny fomba fiasa hatramin’izay ka hatramin’izao, dia tsy voahantso sy tsy asiana lanjany amin’ny fampitam-baovao ataon’ny Minisi\tera samihafa sy deparemantam-panjakana ny orinasa fanaovan-gazety sokajiana ho tsy mitovy fomba fijery amin’ny fanjakana. Tsy voajery amin’ireny fampilazana sy fampitam-baovao na doka na koa fampahafantarana tsenan’asam-panjakana ireny, ary ahilikilika ny mpanao gazety tsy mpanasoaso fanjakana. Mailaka ny Ministera mandrahona sy mandefa taratasy raha tsy mampita ny fandaharana manokana ny haino aman-jery, fa jamba sy marenina rehefa mba misy tombotsoa tokony hositrahan’ny haino aman-jery, fa ireo mpanasohaso fitondrana ihany no voajery. Asa raha mba hiova io fomba fiasa io sy hisy fivorana amin’izay ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.