Voaporofo hatrany fa misy mpitondra jadona sy mpanararao-pahefana eto Madagasikara.
Omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka folo, nobahanana miaramila mirongo basy sady nohodidinin’ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo reg efa ho 50 lahy mahery ny Grand Hotel ao Antsiranana. Tsy navela niditra tao intsony Ramatoa Lalao Ravalomanana izay sendra nivoaka ka nikasa ny hiditra. Hentitra ny toromarika, nasaina navoaka avy hatrany ny entany rehetra fa ilain’ny filoham-pirenena mivady, hono, ilay efitrano « Suite présidentielle » ao amin’ity hotely kintana 5 ity. “Baiko ny anay ka tsy maintsy tanterahana”, hoy ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana raha niresaka tamin-dRamatoa Lalao Ravalomanana teo ivelany izy ireo. Atoa Marc Ravalomanana moa tamin’io fotoana io mbola nivory niaraka tamin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-dia aminy ao Antsiranana. Marihina fa efa tamin’ny alarobia 26 jolay 2017 no namandrika ny efitrano Atoa Marc Ravalomanana satria fantatra hatry ny ela fa hanomboka ny 18 aogositra 2017 ao Antsiranana ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan’ny FJKM izay izy no filohan’ny komity mpitarika; ny alarobia 16 aogositra kosa no nanomboka nipetraka tao izy ireo. Izao anefa dia tery vay manta ny hoe tsy maintsy miala ao ianareo fa ny filoham-pirenena mivady no mipetraka ao. Asa aloha izay tena resaka tao ambonimbony tao fa ny re tany Antsiranana halina dia hoe mivantana avy amin’ny praiminisitra Solonandrasana ny baiko nalefa tany amin’ny Prefen’Antsiranana. Io indray no niteny tamin’ny mpitantana ny hotely saingy namaly ity farany hoe tsy afaka mandroaka « client » izahay. Teo no nohetsehina ny mpitandro ny filaminana dia io nandroaka ny fianakaviana Ravalomanana miaraka amin’ny entany io. Avy aiza marina ny baiko ? Avy any amin’ny filoham-pirenena ve ka nampitainy any amin’ny praiminisitra ? Sa ingahy praiminisitra no nanapa-kevitra samirery noho ny antony tsy fantatra ka nanao izao fanamparam-pahefana izao amina filoham-pirenena teo aloha sady olona hitarika ny lanonan’ny Fjkm manomboka rahampitso amin’ny maha filohan’ny komitin’ny jobily faha-50 taona azy ? Tsy fahalalana ve sa tena loham-boto mihitsy no fomba fiasan’ity fitondrana HVM ity ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.