IZANY KA PROPAGANDY !

Nivoaka ny trano , mandeha eny an-dalambe eny,


  • Zoma 10 Mey 2024

manao dia maika hamonjy taxi-be. Dia mifanena amina andian'olona mizara taratasy kely, mahalala fomba tsara.

Itony mba topazo maso kely ihany rams sao mahasoa anao aa… hoy ilay tovovavy. Afaka metatra maromaro tovolahy indray, am-panajana tanteraka ty ry zoky mba asio jery kely aa... Sarin'olona, toa kandida ilay izy miaraka amina soratsoratra mazava tsara… vinany angamba ireo. Tafiditra anaty taxi-be eo anilako eo, mpianaka miady hevitra kely mahare fandaharana amina onjam-peo mandeha ao anatin'ny fiara. Ny hevitra tsy voatery hitovy fa dia mifanaja ry zareo, ndao lesy hiala amin'izay fa tonga isika ah, hoy ilay rainy amin'ilay zanany lahy. Finaritra ery ny maso mitazana ireo peta-drindrina maro loko misy sary… Fampelezan-kevitra tokoa moa kay izao ee... Henjana ilay miasa alina fa mora renoky ny torimaso any anaty taxi-be. Taitra tampoka aho, naneno be ilay akoho teo akaikiko entin'ilay razoky. Mandomando ny lalan-tsaran'ilay betax fa nisy nitondra gony feno anandrano… Mikotaba ny resevera sy ny mpandeha fa hoe nisangôjy ny famerim-bola. Mety ho tara fidirana any amin'ny birao indray angamba fa mitohana ny fifamoivoizana, mibahan-dalana ry mpanao propagandy sady mitabataba be vao maraina... ny azy ireo ihany no fantany, rehefa mba resehana dia hoe karama ny anay ka aza mifampiteniteny fa ianao angaha razoky no hamelona anay a ! Nofy ririnina marina ee... Fa na izany aza manantena fa indray andro any ooo....
Tia Tanindrazana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT