Ivotoeran’ny tanora eto Antananarivo

Tena hanampy, hampivelatra, hitondra herijika maro


  • Zoma 06 Desambra 2024

Nanentana manokana ny tanora izay maro an’isa eto amin’ny Firenena sy antoky ny ho avy mba tsy ho kivy ary

hanana fanantenana sy handray anjara feno amin’ny raharaham-pirenena sy ny fandrosoana i Tahina Razafinjoelina omaly tao anatin’ny fandaharana fohy nataony. Maro an’isa eo anivon’ny fifidianana isika, hoy izy, kanefa isika dia maro an’isa ihany koa tsy mandray anjara intsony amin’ny fifidianana. « Fantatro ny antony, ianareo dia kivy, ianareo dia mieritreritra fa tsy misy hidiranareo ny fiainana ankehitriny. Raha maniry ny ho tafita, raha mbola mahatoky ny fanabeazana, ary mbola mino fa ny ezaka no mitondra fahatafitana, dia diso isika raha tsy mandray andraikitra amin’ny fifidianana », hoy i Tahina Razafinjoelina. Saino fotsiny hoe : misy solosaina 200 isa miaraka amin’ny fifandraisana internet isaky ny Boriborintany eny amin’ny Ivotoeran’ny tanora, hoy izy nisintona ny sain’ny tanora. Boriborintany roa moa no efa nisantarana izany ankehitriny. Notsipihiny fa natokana manokana ho an’ny tanora io ary maimaimpoana, manampy amin’ny zavatra maro toy ny fahafahana mamita fianarana, mitady vaovao, mitady fahalalana, hanampy an’ireo mamarana fianarana na manomana «mémoire »,… Hisokatra 24/24ora sy 7/7 andro. « Manentana antsika hijery izay tena ilaintsika sy tiantsika amin’ireo vinan’ny kandida tsirairay, miangavy anareo aho, aoka izay ilay hoe : leo izay izahay, fa misy fototra ilainareo dia ny fahalalana, ny fahatafitana. Aoka izay ny fijerena ny endrika ivelany, fa ny fahalalana, ny fahatafitana, ny asa no andao jerena », hoy hatrany ity kandida ben’ny tanàna ity. Nohamafisiny hatrany fa mitondra herijika lehibe io, mety hiteraka asa, hahafahan’ireo tanora mitady ireo tolotr’asa maneran-tany, mety hahahafana mampifandray amin’ireo mpandraharaha any ivelany, manaraka ny fanatontoloana, toy ny Intelligence Artificielle izay afaka mampifandray ny vazan-tany. Manantena aho fa tsy ho kivy ianareo fa mahalala ny antsoina hoe vahaolana, hoy i Tahina Razafinjoelina.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT