Hisy ny fiovana lehibe ataon’ny avy eo anivon’ny ivontoeram-pampianarana mozika sy dihy (CNEMD) atsy ho atsy. Nilaza ny tompon’andraikitra ao amin’ity toerana ity fa hiditra amin’ny fanatsarana izy ireo ka ho lasa « conservatoire » na ivontoerana iraisam-pirenena
Araka izany dia misy ihany koa fanovana ny fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny fenitra takiana ka efa misy ny toe-bola natokana ho amin’izany. Tsy ny mozika sy ny dihy irery intsony no ho hita ao fa hiampy fampianarana hairaha sy haitsikera ihany koa ka ho lasa oniversite mamoaka maripahaizana ara-panjakana. Nilaza ny solontenan’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny vakoka fa hanafatra mpampianatra vahiny ihany koa hitondra ny traikefany eto an-toerana. Tsy hijanona eto Antananarivo ihany ny ivontoerana fa hitarina manerana ny faritra 22.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.