Actualités

Ivon-toeram-panovanana CEDS Hatao any Toamasina ny «Université Lohataona» amin’ity


  • Alatsinainy 08 Mey 2023

Hotanterahina any amin’ny SPAT Toamasina ny 19 may 2023 izao ny karazana fikaonandoha na « forum » isan-taona na ny « Université lohataona »

eo anivon’ny CEDS (Centre d'Etudes Diplomatiques et Stratégique). Miara-misalahy ireo andiany faha-19 izay misalotra ny anarana Samuel Rakotobe. Mpandraharaha Malagasy goavana sy nanana ny tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany moa I Samuel Rakotobe, namatsy ara-bola ny JINY sy ny MDRM tamin’ny tolom-piavotana. Amin’ity indray mitoraka ity, lohavehitra noraisin’ny CEDS mandritra io fotoan-dehibe any Toamasina io ny hoe: "L'Etat de Droit, la Territorialité et la Responsabilité des Elites Malagasy pour les générations futures", izay hifantoka amin’ny Fanjakana tan-dalàna, ny lafin-tany, ary ny fandraisan’andraikitr’ireo manam-pahaizana Malagasy ho an’ny taranaka fara aman-dimby, raha adika tsotsotra. Handray anjara amin’io ireo manam-pahaizana samihafa, olobe manana ny maha izy azy, olo-manan-kaja sy ara-panjakana samihafa, fa indrindra ireo maintimolalin’ny CEDS sy ireo mpikatroka ankehitriny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT