Ivon-toeram-pandrindran’ny

BNGRC ao Toamasina


  • Alarobia 25 Febroary 2026

Mamporisika ny hampidirana ny

tompon’andraikitra ara-pivavahana ny Kardinaly
Taorian’ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani izay namely an’i Toamasina sy ny manodidina, nanao fitsidihana ara-pomba fanajana tao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny Arsevekan’i Toamasina, Kardinaly Désiré Tsarahazana, nihaona tamin’ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy. Nifantoka tamin’ny adihevitra ny fanarenana sy ny fanohanana ireo traboina, indrindra fa ny fotodrafitrasa ara-pivavahana sy fanabeazana izay rava na simba tanteraka. Araka ny fanazavan’ny Kardinaly, fiangonana 19 sy sekoly 28 no voakasika, ka vao mainka nampitombo ny fahasahiranan’ny mponina marefo. Notsindriany fa ivon’ny fiainam-piarahamonina sy ny fampivondronana ny olona amin’ny faritra maro ireo fotodrafitrasa ireo. Nandritra izany, nanamafy ny Praiminisitra araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Primatiora, fa miray fo amin’ny vahoakan’i Toamasina ny Fitondram-panjakana sy ny Governemanta iray manontolo, ary laharampahamehana ny famonjena aina, ny fanampiana maika ary ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba. Nampahafantariny ihany koa ny paikady napetraka hiatrehana ny voka-dratsin’ny rivodoza Fytia sy Gezani. Naneho fahavononana ny Kardinaly handray ny Praiminisitra any amin’ny Diôsezin’i Toamasina mba hahafahany mitsidika mivantana ireo toerana voakasika, ary namporisihiny ny fampidirana ara-ofisialy ireo tomponandraikitra ara-pivavahana ho isan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivotoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fanarenana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT