Actualités

IVO Antohomadinika Rongony 50 kg no tratra, olona 36 no voasambotra


  • Sabotsy 28 Jona 2014

Tafiditra tao anatin’ny fitandroana ny filaminana noho ny fetin’ny 26 jona dia nisy hetsika manokana notarihan’ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Contrôleur Général de Police Andriamampionona Jean Rolland ny harivan’ny Alarobia, 25 Juin 2014.....

Niara-nientana tamin’ity hetsika ity ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny Brigade Criminel, ny UIR. Nanao sava hao tao amin’ny IVO Antohomadinika izy ireo ka olona 36 no voasambotra, dimy ny vehivavy. Mpivarotra, mpividy ary mpifoka rongony, niampy ireo mpikarama mamono ny rongony ho baomba na karaoty izy ireo. Rongony iray gony milanja 50 kg sy efa vita fonosana maro no tratra tamin’io fotoana io. Tafiditra amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy izao hetsika izao satria ny zavatra tsapa dia tsy misaraka ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fanaovana asan-jiolahy. Tsy hijanona ny hetsika fa hotohizana any amin’ny faritra hafa. Natolotra ny fitsarana omaly zoma avokoa moa ireo olona voasambotra ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT