Actualités

Ivato Hanana tsena manara-penitra


  • Talata 12 Septambra 2017

Mihazakazaka ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eny amin’ny kaominina Ivato, distrika Ambohidratrimo.

 

 Taorian’ny fitokanana ny EPP Ilaivola izay volan’ny kaominina madiodio no nanamboarana ny efitra 7 ka efitrano fianarana ny 6 sy ny CSB II Ambodirano izay nitarina sy nasiana rihana dia nampiana fitsaboana nify, otra, farmasia ankoatra ny fitaovana raitra samihafa toy fandrinan’ny marary sy mpiteraka, izay volan'ny fanjakana ny nenti-nanana azy ary koa ny lalana, ampahany amin’ireo 7km efa vitan’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa sy ny ekipa dia miroso hatrany ny fanamboaran-dalana eny amin’ity kaominina vavahadin’i Madagasikara ity, toy ny amin’ny vakim-paritra K7. Fa ny asa lehibe handeha ato ho ato dia ny fanamboarana ny tsena. Noho ny fahaiza-mitariky ny Ben’ny tanàna sy ny fahaizany mandresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka dia nilaza ampahibemaso ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier, nandritra ny lanonam-pitokanana zava-bita teny an-toerana, herinandro lasa izay, fa dia hamboarina ny tsenan’Ivato manomboka amin’ny herinandro ho avy io. Tafiditra ho anisan’ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny fanatanterahana azy. Hafindra vonjimaika eny akaikin’ny lisea ireo mpivarotra manodidina ny 2.000 isa amin’izao fotoana, mandritra ny asa fanamboarana ary ireo mpivarotra tao ireo ihany no miditra amin’ilay tsena vaovao rehefa vita, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa hatrany. Nisy omaly ny fidinany tao an-tsena niaraka tamin’ireo teknisianina, nifampiresaka tamin’ireo mpivarotra sy nanoro azy ireo ny amin’izay fanatsarana ny tontolo iainany amin’ny varotra ataony izay.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT