IVANDRIKA FARAFANGANA

Ravan’ny afo ny 98%-n’ny tanana


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Rava tanteraka ny 98 %-n’ny tanàna ao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ivandrika

distrikan'i Farafangana vokatry ny haintrano nitranga omaly Talata 12 Novambra maraina araka ny tatitra nomen'ireo tompon'andraikitra avy any an-toerana nataony tamin’ny Solombavambahoakan'i Farafangana Raby Savatsarah. Mbola tsy fantatra mazava ny nahatonga ny loza raha fampitam-baovao voaray. Mbola saika trano ranty avokoa ny any an-toerana raha tsiahivina ka nampihitatra ny afo vetivety. Miantso tolo-tanana noho izao voina mafy mahazo ny mponina any amin'ny kaomina ambanivohitra Ivandrika izao araka izany ny solombavambahoaka Raby Savatsarah. Tapaka tanteraka moa ny fianaran’ny mpianatra rehetra avy ao amin’ity kaominina ity noho ny fahamaizan’ny fitafiany sy ireo fitaovam-pianarana rehetra. Na izany handrian’ny loha amin’ny alina aza efa tena manahirana.
Pati
Legende : Noravaravan’ny afo tahaka izao ny tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT