Actualités

Itaosy Tratra ireo mpanao « vente en ligne » mpisoloky olona


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Mahazo vahana tanteraka ny « vente en ligne » ankehitriny. Ankoatra ireo fitafiana…

dia saika hamidy sy hita ao anaty tambajotran-tserasera avokoa ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no sady maro karazana tokoa. Anisan’ny tena hitiavan’ny mpanjifa azy ireny ny fahafahana mitsitsy fotoana tsy mivezivezy. Toraka izany ihany koa ny fahazoana ireo karazan’entana amin’ny kalitao tena tsara….Tsy vitsy anefa ireo manararaotra izany. Lehilahy sy vehivavy mpanao io asa io no fantatra fa voasambotra tao amin'ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena Itaosy omaly. Mpisoloky olona amin'ny alalan'ny tambazotran-tserasera izy ireo ary efa nahazoana fitarainana maro. Araka ny voalaza dia mody manao "vente en ligne" izy roa ireo ka rehefa voarainy amin'ny alalan'ny Mvola ny vola ividianana ilay entana dia bloquer-ny tsy afaka mifanerasera aminy intsony ilay olona nahazoany vola. Hiakatra fitsarana rahampitso izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roa mpisoloky
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT