ITAOSY SY NY MANODIDINA

Tapaka adin'ny 07 ny jiro omaly


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Anarany no mba faran'ny herinandro nakan'ny fianakaviana aina niaraka omaly Alahady 11 Febroary

fa tena nahasorena kosa ny zava-nitranga teny Andranonahoatra Itaosy Atsimondrano teny. Tapaka nanomboka tamin'ny 10 ora sy sasany maraina mantsy ny jiron'ny Jirama ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Tsy mba afaka niara-nijery vata fahita lavitra, nihaino hirahira mahafinaritra, nahandro sakafo tamin’ny fatana mandeha amin’ny herinaratra… ny ankamaroan’ny fianakaviana noho izany fa niaina tao anaty fahasahiranana tanteraka. Voakasik’izany manokana ireo nanan-draharaha natao toy ireo nanao batisa tany am-piangonana…Tsy lazaina intsony ny nanjo ireo olona mivelona amin’ny herinaratra toy ny mpanao volo, ireo mpivarotra trondron-dranomasina izay maty antoka an’aliny ny sasany….Raha araka ny siosion-dresaka nandeha moa dia vokatry ny fanamboarana ilay andrin-jiro izay nisy tariby mitondra herinaratra tapaka teny Behenjy Itaosy no nitarika izao fahatapahan-jiro tsy nisy fampilazana teny Itaosy izao. Tsy mba ora roa na telo rahateo no lany fa naharitra ora fitobe izao. Tsiahivina hatrany moa fa ny faran’ny herinandro no mba fiarahan’ny fianakaviana ao an-tokantrano noho ny asa fitadiavana sy ny rotorotom-piainana. Tokony hiezaka hifampitsinjo amin’ny mpanjifany araka izany ny orinasa JIRAMA ary hanao fampilazana raha hanamboatra tahaka ireny mora handaminan’ny mpanjifa ny fandaharam-potoanany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT