Actualités

Itaosy Hopitaly Namono olona indray ny taksibe


  • Talata 24 Jona 2014

Ratsy fiandoha ny herinandro ho an’ity taksibe iray ao amin’ny Zotra A mampitohy an’i Tsaralalana amin’i Itaosy Hopitaly.

Omaly tokony ho tamin’ny 8ora sy sasany maraina teo ho eo, nifatratra teo amin’ny tsenakely iray tsy lavitra ny “arrêt” eny akaikin’ny hopitaly CHDII ilay taksibe. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia fiara tapaka hisatra ity namoa-doza ity. Vokany, vehivavy iray no maty tsy tra-drano, roa ambin’ny folo no naratra ary trano nanamorona ilay lalana no simba. Marihana fa mpiasa avy ao amin’ny hopitaly Itaosy ilay ramatoa namoy ny ainy io ary lehiben’ny sampandraharaha manara-maso ny mpiasa ao izy. Raha ny voalaza dia iny izy handeha hividy fahana finday teo amin’ny taxi phone manoloana ilay trano nifatraran’ity fiara ity no nofaohan’ilay taksibe ka maty tsy tra-drano avy hatrany. Nisy lehilahy iray mpandeha an-tongotra ihany koa voadona ka nipitika tafiditra tany anaty trano. Ilay renim-pianakaviana mpanao taxi-phone indray nanam-bitana satria nipitika tao anaty tatatra ka avotra ny ainy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT