Actualités

ISTA Ambositra Namoaka mpianatra 50 hiatrik’asa avy hatrany !


  • Alatsinainy 07 Jolay 2014

Notanterahina tao amin’ny ISTA Ambositra ny sabotsy 05 jolay lasa teo ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny mpianatra andiany voalohany mitondra ny anarana hoe «FIRST». Noraisina tamin’io fotoana io koa ireo mpianatra andiany faha-4 (SUR) sy ny fahadimy (ELITE), mpianatra navoakan’ny ISTA na Institut Supérieur de Technologie d’Ambositra voalohany....

. Nahatratra 50 mianadahy izy ireo izay nanaraka ny lalam-piofanana mahakasika ny fambolena sy ny fiompiana ka afaka hiatrika asa avy hatrany. Tanora mpianatra voalohany teto Madagasikara novolavolain’ny rafitra LMD ka hamaly ny filan’ny Faritra sy ny firenena. Nambaran’ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Rasoazananera Marie Monique fa zava-dehibe ho an’ny depatemanta tantaniny ny fampianarana ambony manakaiky ny vahoaka toy izao satria ny fampianarana ambony no havokavoky ny fampandrosoana. Ny Profesora Razafindrajaona Jean Marie no tale jeneralin’ny ISTA ao Ambositra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT