Isaky ny misy rotsak’orana

Voahelingelina hatrany


  • Zoma 14 Novambra 2025

ny fifandraisan-davitra

Isaky ny misy rotsak’orana, toy ireny omaly ireny, izany dia voahelingelina hatrany ny fifandraisan-davitra. Maro tamin’ireo mpikirakira izany indray no nitaraina ho nijaly, raha ny fitarainana voaray teto an-drenivohitra sy ny manodidina aloha. Misy ireo mametra-panontaniana, etsy ankilany, hoe fanahinian’ireo orinasam-pifandraisana ve no antony sa tena vokatry ny olana ara-toetr’andro mihitsy tokoa? Ny tsikaritra tsinona dia toa arakaraky ny haratsin’ilay kalitaom-pifandraisana omena ny mpanjifa na koa hoe voarain’ireo mpanjifa no vao mainka mampitombo ny vola lany amin’ny fampiasàna sy fikirakiràna izany? Andrasan’ny maro, araka izany, ny fiverenan’ny fitondràm-panjakàna vaovao izay mijoro mba hijery ny fepetra tokony ho raisina manokana mikasika izay fanaraha-maso sy famaizana, raha sanatria misy fihoaram-pefy sy fanararaotana hatrany ataon’ireo orinasam-pifandraisana misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ireo izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT