Actualités

Isabelle Delattre-Burger Tena hiala saingy hovidian-dafo…


  • Zoma 05 Aprily 2024

Nohamafisin’ny any Bruxelles foiben’ny Vondrona Eoropeanina ny fisian’ny fahatapahan’ny fifampatokisana izay

miteraka sakana amin’ny fampandehanana ny masoivohohony eto. Nohamafisin’ny Delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika tarihin-dRtoa Isabelle Delattre-Burger, fa ny fandehanan’io ambasadaoro io miala eto, dia efa naman’ny vita. Ny endrika hahatanterahany sisa no andrasana. Tsy maintsy hiala amin’ny toerany noho izany ny tenany any ho any amin’ny volana jolay na aogositra, saingy ny dingana fitadiavana olon-kafa ho solony kosa dia mitaky fotoana maharitra. Ny finiavanay dia ny hitazona hatrany ny fifandraisana amin’i Madagasikara ka izany no tsy hametrahana olana eo anatrehan’ny fangatahana, kanefa ny fandehanany ao anatin’izao endri-javatra izao dia tsy maintsy hisy fiantraikany ara-politika sy ara-bola, hoy ny loharanom-baovao ara-diplaomatika avy ao anatin’ny delegasionina, raha ny tatitr’io fampahalalam-baovao vahiny io. Na tiana na tsy tiana aloha izany, dia mety hisy fiantraikany sy akony mivantana na ankolaka amin’ny sehatry ny diplaomasia sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena io zava-misy io, ary mety hisy fahabangan-toerana maharitra, izay mety hiteraka fihisaran’ny fanatanterahana tetikasa samihafa. Sambany teo amin’ny tantara ihany koa ny fangatahana fanoloana ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina izany izay marihina hatrany fa misolo tena firenena eo amin’ny 27, raha toa ka efa nisy ny fandroahana ambasadaoro dia ny an’i Lafrantsa tamin’ny taona 2008-2009, izay niafara tamin’ny fionganan’ny Fitondrana Ravalomanana. Raha hiverenana kely ny tantara tao nanomboka ny septambra 2022 nahatongavan-dRtoa Isabelle Delattre-Burger teto, dia tsy vao sambany ny karazana fanairana samihafa nataon’ity Ambasadaoro ity sy ireo masoivohona firenena samihafa, raha tsy hilaza afatsy fanambarana fa tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba zo sivily sy zo politika ny nandraran’ny Fanjakana Rajoelina ny famoriam-bahoaka ara-politika nialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena, ny fampahatsiahivana imbetsaka ny tokony hanatsarana sy hanadiovana ny fifidianana miainga amin’ireo toromarika nivoatra tao anatin’ny fanaraha-maso tamin’ny 2018 ; ireny namakiany bantsilana ny fahakivian’ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola ireny noho ny tsy fangaraharana tamin’ny fitantanana ny volan’ny Fonds Routier ; ny raharaha lalàna momba ny famosirana,… Ity farany no tena nororitina sy nanenjehana azy ho tsy manaja ny fiandrianam-pirenena Malagasy, saingy heverina fa efa nandrasana kendritohana noho ny fahasahiany namaky bantsilana ny zavatra tsy mety teto. Dia andrasana izany ny fahatanterahany sy ny vokany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT