Actualités

Iray volan’ny ankizy Nanentana momba ny fanjarian-tsakafo ny Ministeran’ny mponina


  • Zoma 23 Jona 2023

Mbola betsaka ireo ankizy tsy misakafo ara-dalàna amin’izao. Mitombo isa mihitsy izy ireny noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny.

Indray mandeha isan’andro sisa no mahita izany ny sasany, nefa tena zon’ny ankizy feno ny hisakafo ara-dalana, hianatra, hotsaboina raha maharary….Izany indrindra no antony nanaovan’ny Ministeran’ny mponina sy ny ofisim-pirenena miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo hetsika teny amin’ny kianja manara-penitra Mahitsy. Niompana tamin'ny fanentanana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny fahasalaman'ny ankizy ny hetsika narahina kilalao maro isan-karazany. Nitarika ny fotoana, nisolo tena ny Minisitry ny Mponina Soafilira Princia, ny Tale Jeneralin'ny Mponina Rakotondrainibe Andry. Loha-hevitra nitondrana ny hetsika moa ny hoe : "Antoky ny ho avy mamiratry ny ankizy, ny anio". Mbola tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy hankalazaina amin’ity volana Jona ity avokoa izany rehetra izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT