Niarahaba ny mpanao gazety noho ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety omaly 3 mey ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina.
Nitondra hanatranatra, ary nanambara fa nandray fanapahan-kevitra ho an’ny mpanao gazety diso làlana. Amin’ny maha Filoham-pirenena ahy, dia nandray fanapahan-kevitra famoahana ny mpanao gazety izay any am-ponja aho. Tsy natao hanenjehana na hitsikerana fiainan’olona manokana ny asa fanaovan-gazety, hoy ny filoha. Havoaka ny fonja izany i Arphine Rahelisoa, izay efa hatramin’ny 2 aprily no nohenjehina, ary ny 4 aprily no nadoboka teny Antanimora, ka nanao ny fetin’ny paska tany an-tranomaizina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.