Actualités

Iray volan'ny Ramadamy Hanomboka anio na rahampitso


  • Alakamisy 18 Jona 2015

Hotanterahina manomboka anio alakamisy 18 Jona na rahampitso zoma 20 Jona ny iray volan'ny Ramadany ho an'ireo mpino Silamo eto amintsika. Miankina amin'ny tsinam-bolana izy io, hoy i Cheik Rijaly,

 


 

tompon'andraikitry ny mpino Silamo Chiite eto amintsika, fotoana haharitra 29 na 30 andro eo ho eo. Maro sosona ny fandaharam-potoana hotanterahin'ireo mpino Silamo mandritra izany. Ho an'ireo mivondrona ao amin'ny Chiite, ohatra, dia hisy ny  fampianarana isan'andro  ho an'ireo mpino Silamo izay hotanterahin'izy ireo eny Anosimasina Itaosy isan-kariva manomboka amin'ny 4 ora sy sasany. Arahina  vavaka izany aorian'ny filentehan'ny masoandro fotoana iray hahafahan'ny rehetra mitodika sy mifantoka amin'i Allah. Nisy moa ny famoaboasan'izy ireo ny mikasika ny Ramadany tamin'io fotoana omaly nihaonany tamin'ny mpanao gazety io. Zavatra miisa folo no tena nivoatra nandritra izany izay samy miompana amin'ny fitondran-tena avokoa. Anisan'izany ny tsy fahafahana misotro na misakafo, ny tsy fahafahana miray ara-nofo, ny filazana lainga mikasika an'Andriamanitra, ny fandetehana ny loha anaty rano,  ny fampidirana setroka na vovoka matevina any an-tenda...

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT