Actualités

Iraimbilanja Nafana ny zoma mahafinaritra tao Fianara


  • Talata 29 Jolay 2014

Nahazo ny anjarany koa i Fianarantsoa. Taorian’ny fihodinkodinana sy fampianohana teto an-drenivohitra sy ny manodidina tato ho ato dia ny renivohitra Betsileo indray no nandray ny tarika Iraimbilanja, lanonana nafana tokoa tao amin’ny Hotel Sofia ny zoma alina teo.

Nokaloin-dry Batata, Niry, Papay ary Roger sy ny namany tao avokoa ireo hira nahafantarana ny tarika tao anantin’ny 31 taona nisiany, nahitana ireo nilamindamina, indrindra fa ireo mavesatra manaitaitra. Ankoatra ireo mpankafy avy ao Fianarantsoa dia tazana maro nanotrona tao koa ireo avy ao Antsirabe sy avy eto an-drenivohitra. Tompomarika tamin’ny fikarakarana ny hetsika moa ny « Best Mangarahara » izay efa nitoto nahafotsy ireo seho roa nataon’ny tarika Iraimbilanja tao Antsirabe volana vitsy lasa izay. Ankoatra ny fanohizana ny seho etsy sy eroa dia hifantoka kely amin’ny famokarana horonantsary koa ny tarika atsy ho atsy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT