IPC taona 2023

Ho hita eo indray raha nihena na nitombo ny kolikoly


  • Talata 30 Janoary 2024

Anio 30 janoary 2024 no hivoaka ny naoty sy ny laharan’i Madagasikara

mikasika ny tondro momba ny kolikoly na ny IPC, raha ny fampahafantarana navoakan’ny Transparency International Initiative Madagascar. Raha tsiahivina teo amin’ny laharana faha-147 tamin’ny firenena 180 i Madagasikara ary tsy nanana naoty afatsy 26/100 tamin’ny taona 2022. Hihemotra sa hihatsara ny laharana ho an’ny 2023 ? Sehatra maro aloha hatreto no voasokajy ho hanjakan’ny kolikoly raha ny fanadihadiana maro samihafa efa nivoaka : fitsarana, mpitandro ny filaminana, fananan-tany,… Betsaka ny sehatra mbola tsy voafehy ny kolikoly ny sehatra maro, ary ny tena olana goavana eto Madagasikara dia miainga avy any ambony ny ohatra ratsy. Isan’ny nanamarika ny 2023 ny nisamboran’ny polisy britanika an’ilay Tale Kabinetra teo aloha teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, olona akaiky ny Filoham-pirenena noho ny kolikoly avo lenta, fitakiana volabe 225 000 livres sterling miampy ny fahazoana ny 5% amin’ny petra-bola tamin’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany Gemfields ho tambin’ny fitrandrahana hataony eto. Taratry ny kolikoly goavana misy eto amin’ny firenena ireny, ary taratr’i Madagasikara any ivelany. Isan’ny jeren’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpampiasa vola foana ny resaka ady amin’ny kolikoly amin’ny firenena iray mialohan’ny hahatongavany eto, ka tsy atao mahagaga loatra raha tsy dia marisika ny olona satria io zava-nitranga iray io fotsiny fa tsy resahana ireo zava-doza maro, dia efa mety hanasokajian’ny vahiny antsika ho mpanjakan’ny kolikoly, ka raha hampiasa vola aty izany dia tsy maintsy mandoa volabe amin’ny mpitondra no handraisany azy. Tsy dia atao mahagaga raha tany amin’ny faha-161 amin’ny 190 ny filaharantsika amin’ny resaka fahavitrihan’ny mpampiasa vola na «doing business ». Marina fa misy ny zavatra miabo satria efa feno ireo rafitra miisa 5 misahana ny ady amin’ny kolikoly (Bianco, SAMIFIN, CSI, PAC, ARAI) izay mety manao ny asany tokoa, saingy iny nambaran’ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana herinandro mahery teo izay iny, fa mandeha ila ny ady amin’ny kolikoly satria sakana amin’ny fanenjehana ireo mpitondra ambony toy ny Praiminisitra sy minisitra teo aloha manana dosie maloto tsy mety tonga eny amin’ny HCJ (Haute Cour de Justice) ny raharaha noho ny sakana eo anivon’ny Antenimierampirenena, hany ka 5 taona nitsanganana ilay rafitra saingy tsy mbola nitsara na dosie iray aza… Misy ny ambony lalàna dia misy ny ambanin’ny lalàna !? Andrasana indray ny filaharana ho an’ny anio fa hatreto dia tena mandetika antsika ny kolikoly.
Toky R
Légende : Isan’ny nanamarika ny taona 2023 ny fisamboran’ny manam-pahefana Britanika an-dRtoa Romy Andrianarisoa, Tale kabinetra teo alohan’ny Filoham-pirenena

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT