Internet amin’ny finday

Mbola lafo hatrany na dia nofoanana aza ilay « prix plancher »


  • Alatsinainy 03 Jona 2024

Herinandro aty aorian’ilay fampatsiahivana efa miandrika fampitandremana avy amin’ny fanjakana

dia tsy mbola nisy saran’ny internet amin’ny finday nidina izany aloha. Nampisavorovoro ilay hoe nametraka ny « prix plancher » ny fitondram-panjakana ka voatery nampifanaraka ny saram-piandraisany tamin’izay ihany koa ireo orinasa misehatra eo amin’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara, orinasa 3 lehibe moa izy ireo. Rehefa niha nahery vaika ny fanakianana sy fimenomenonana na ho an’nyolon-tsotra io na ho an’ireo orinasa dia niverin-dalana tamin’ny fanapahan-keviny ny governemanta malagasy ka hoe tsy asiana io « prix plancher » io idray ka noho izany tokony hiverina amin’ny sarany teo aloha ny resaka internet amin’ny finday ka hisy ireo tolotra mora kokoa zakan’ny sarambabem-bahoaka. Inona akory ny teo, mody fanina aloha hatreto ireo orinasan-tserasera ireo fa dia ny paosin’ny mpanjifa no mizaka izay sarany misy eo. Voalaza fa efa nisy ny taratasy nalefan’ny fanjakana tamin’ny alalan’ny ARTEC tany amin’izy ireo ny amin’ny hamerenana ireo sarana internet mora kokoa saingy tena manao be marenina fotsiny tsotra izao ry zareo hatreto . Sa ve sa mba resaka natao fotsiny io « prix plancher » io fa raha ny tena marina dia efa fifanarahana miafina tany ambadimbadika tany ny fampiakarana ny saran’ny internet ?
(Sary fanehoana)
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT