Nandray anjara mavitrika hatrany teo amin’ny fiainam-pirenena Malagasy ny Tafika.
Voaporofo izany tamin’ny fahitana azy ireo teo amin’ireo rafitra nijoro ara-panjakana nifandimby. Tsy azo lavina ihany koa fa nanembatsembana ny fizotran’ny raharaham-pirenena ny fidiran’izy ireo lalina loatra teo amin’ity sehatra ity. Tsy mahagaga raha voabaikon’ny mpanao politika amin’izay ilany azy ireo mpiasam-bahoaka manao fanamiana mitam-piadiana handemena ireo tsy mitovy fomba fijery ara-politika. Tranga mamoafady nateraky ny fandraisan’anjaran’ny Tafika Malagasy ny fisian’ny fakana fahefana tsy ara-dalàna ka mahatonga ny krizy ara-politika tsy ahitam-bahaolana toy ny niainan’ny firenena nanomboka ny taona 2009. Manoloana izany dia soso-kevitry ny International Crisis Group ny fandraisana fepetra haingana hisorohana ny fitsabahan’ny Tafika amin’ny raharaha politika. Efa dingana iray mahavelom-bolo ny fanendrena ireo mpibaiko vaovao eo anivon’ny Tafika ao anatin’izao Repoblika vaovao izao, hoy ny ICG. Mbola lava anefa ny lalana hizorana ho an’ny mpitondra ankehitriny taorian’ny 5 taona nanjakan’ny gaboraraka ka vahaolana tsotra aroson’ity fikambanana iraisam-pirenena ity ny tokony hampiatoana aloha ny fampisondrotana grady.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.