Institut National de Tourisme et d’hôtellerie

Hanitatra fotodrafitrasa, hanatsara ny kalitaom-pampianarana


  • Talata 20 Mey 2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Institut National de Tourisme et d’Hôtellerie (INTH) afaka 15 volana. Fotoana hahavitan’ny fanatsarana sy ny fanaganana foto-drafitr’asa vaovao ao an-toerana etsy amin’ny INTH Ampefiloha. Tontosoa omaly ny fametrahana vato fototra fanombohan’ny asa, izay vatsian’ny « Agence Française de Développement » (AFD), vola mitentina 2 tapitrisa Euro. Tsy hijanona eo amin’ny fananganana sy fanatsarana ihany izy ity fa hisy ihany koa ny fampitaovana raha ny fanazavan’Atoa Joel ANDRIAMAHENINA, mpandrindra ny tetikasa. Hahaleo tena tanteraka ny INTH aorian’ny fahavitan’izao foto-drafitr’asa izao. Hitombo ihany koa ny mpianatra ho raisiny ary ho matihanina hatrany ireo mpianatra mivoaka ao an-toerana raha ny fanazavana. Hiaraha-mahita fa sehatry iray tena mandroso ny fizahantany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Raha any amin’ny faritra manokana dia maro ireo hotely tsy maharaka amin’ny fandraisana mpizahantany. Efa mipaka amin’ny firenena hafa ihany koa ny fahaiza-manaon’ny Malagasy satria raha ny any Maorisy ohatra dia efa misy ireo manafatra Malagasy hiasa any amin. Hitondra vokatsoa tsara ho an’i Madagasikara noho izany ny tetikasa toy izao hoy ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, Atoa Arnaud Guillois.
LALAINA RAV
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT