Tsy afa-mianatra indray ireo mpianatra etsy amin’ny sekoly ambony tsy miankina INSPNMAD etsy Manakambahiny. Nanomboka ny zoma 4 Jolay lasa teo no nitrangan’izany noho ny fahatongavan’ny vadintany iray sy polisy iray namany niaraka tamina Emmoreg iray kamiao nanala ny entan’ny sekoly rehetra ary nametraka izany eny an-tokotany......
Milaza fa manana didy manala ny sekoly amin’ny trano izy ireo, na dia nampahafantarina azy ireo aza fa raharaha mbola mitohy eny amin’ny Fitsarana ny mahakasika ny sekoly. Voatery nandeha nanatona ny fitsarana ny talen’ny sekoly Razanadrakoto Roland Albert. Torohevitra nomen’iretsy voalohany azy ny fakana vadintany mba hanatrika ny zava-misy. Toraka izany koa ny fisavana ny taratasy nahafahan’ireo polisy sy vadintany nanala ny entan’ny sekoly tao amin’ny trano. Niantso ilay voalaza fa tompontrano ireto farany ka Ramatoa iray no tonga, izay milaza ho tompony. Teo an-danin’izay anefa dia teny am-pelatanan’ny sekoly ny antontan-taratasy rehetra valin’ny didy navoakan’ny Fitsarana tamin’ny taon-dasa na ny “Attestation de suspension de l’exécution de l’ordonnance de la cours d’appel Antananarivo” izay mandrara izao trangan-javatra izao. Hatramin’ny omaly nanangonanay ny vaovao teny an-toerana dia mbola eny an-tokotany avokoa ny entan’ny sekoly rehetra. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny INSPNMAD fa handray fepetra ny tenany mikasika izao zava-mitranga amin’ny sekoly izao izay nomarihina fa efa fanindroany. Ankoatra ny fanalam-baraka mantsy, hoy izy, dia betsaka ireo fananan’ny sekoly no simba ary tsy afa-mianatra ihany koa ny mpianatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.