Indostrian’ny lamaody

Raikitra ny tetikasa « Metamorphose » tohanan’ny Amerikanina


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Natomboky ny Mpanolontsaina momba ny Serasera sy ny Kolontsaina eo anivon’ny Masoivoho Amerikana Craig Ferguson ny tetikasa “Metamorphose”

miompana amin’ny fampiroboroboana ny famoronana maharitra sy manaja tontolo iainana eo amin’ny tontolon’ny lamaody. Ireo maintimolaly fito mianadahy nandray anjara tamin’ny International Visitor Leadership Program (IVLP) 2020 miompana amin’ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny lamaody no hitantana izany, ka fito mianadahy izy ireo: Tachou, Vida ; Jean Gaona, Eva Lambà, Sariaka Rah; Phanala; Lucka. Mikendry ny hanaitra ny sain’ny be sy ny maro momba ny fiantraikan'ny indostrian'ny lamaody amin'ny tontolo iainana sy hanohana ny vehivavy mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny lamaody ary hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpandraharaha maintimolalin’ny programa vatsian’ny governemanta amerikana vola ity « Metamorphose » ity. Hampivondrona ireo mpamorona lamaody matihanina ireo ahafahany mizara ny traikefa azon’izy ireo avy amin’ny IVLP sy amin’ny maha-matihanina azy amin’ny alalan’ny andiana hetsika isankarazany, toy ny fampirantiana, ny valan-dresaka sy atrikasa ary hetsika filatroana izay mifantoka amin’ny famoronana lamaody maharitra sy manaja tontolo iainana. Mialohan’ny hetsika filatroana hatao ny 21 jona ao amin’ny Masoivoho Amerikana eny Andranomena dia hanao valan-dresaka sy fampirantiana mandritra ny roa andro ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo ny 11 sy 12 jona ireo mpanorona lamaody ireo hampisehoan’izy ireo ny asa famoronana nataony izay manaja tontolo iainana sy hiresahan’izy ireo momba ny fiantraikan’ny lamaody amin’ny tontolo iainana. Manome tosika ny mpandraharaha eto an-toerana izahay ary manome azy ireo fitaovana sy torolàlana ilaina amin'ny fanondranana ny vokatra “Vita Malagasy” mankany ivelany, sady manamafy bebe kokoa ny fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena eo amin'i Etazonia sy Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT