Actualités

Indostria Malagasy Hanentana ny fanjifana ny «Vita Malagasy»


  • Alakamisy 19 Jona 2014

Hotanterahina ny 11 – 14 septambra ny SIM (Salon de l’Industrie de Madagascar). Mitety faritra manentana ireo mpandraharaha hiaraka hientana handray anjara amin’izany ny komity mpanomana.

 Tao Toamasina izy ireo nampahafantatra ny manodidina ny hetsika sy nandinika ny tontolon’ny indostria eto Madagasikara. Tamin’izany no nilazan’Atoa Raveloson Hery Stephan filohan’ny SIM, fa “sahirana sy miaina ao anatin’ny olana goavana ny indostria Malagasy. Tsy vitan’ny hetra mavesatra loatra alain’ny fanjakana, fa eo ihany koa ny fifaninanana gaboraraka amin’ireo entana avy any ivelany izay tsy manaraka akory ny fenitra ara-barotra eto amintsika”. Nohamafisin-dRtoa Dannick Ramaroson tompon’andraikitry ny orinasa “Savonnerie Tropicale” ao Toamasina koa izany, izay nilazany fa “antony mahatonga ny fahosanay ankehitriny ny tsy fitsinjovana ny mpandraharaha Malagasy”. Izay indrindra no anton’ny hetsika hatao amin’ny septambra. “Fanaingana indray ny indostria nasionaly” no lohahevitry ny hetsika hanentanana indray ny Malagasy hanjifa ny vita eto an-toerana. Nivoitra nandritra ny fihaonana ihany koa fa vonona ny drafi-pampandrosoana ny indostria Malagasy, ary hatolotra ny fanjakana hanomezana aina indray ny fandraharahana ataon’ny Malagasy, antoky ny fitomboan’ny harin-karena. Ankoatra izay, dia tsy manda ny hisavana ny lafiny ara-ketra ny SIM, fa mitaky kosa ny hanaovana izany ao anatin’ny mangarahara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT