Actualités

Indonezia Liana amin’ny harena any Vakinankaratra


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Nitsidika an’i Vakinankaratra ny mpiandraiki-draharaha vaovaon’ny Firenena Indonezianina eto Madagasikara omaly zoma, io no fitsidihina voalohany nataony hatramin’ny nahavoatendry azy eto Madagasikara.

Amin’i Vakinankaratra toeran’ny Indostria sy ny asa-tanana no anton’ny fitisidihina ka fitadiavana fiaraha-miasa sy fanasana amin’ny hetsika TEI faha 32 na ny “TradExpo International” faha 32 any Indonezia no antony. Fantatra tamin’izany fa mbola kely ny fifanakalozana ara-barotra misy eo amin’ny firenena roa tonta kanefa nambaran’Atao Heru Wicaksono tamin’izany fa betsaka no azo hiaraha-miasa amin’ny maha firenena mety ho iray fiaviana ny roa tonta. Ity hetsika ity moa raha ny fanazavana ihany dia hetsika goavana indrindra any an-toerana satria amin’izao fotoana dia efa mpandraharaha maro avy amin’ny firenena 60 no efa misoratra anarana hiatrika izany ka ho an’i Nizeria fotsiny dia efa mpandraharaha miisa 700 no ho avy hihaona amin’izany hetsika izany, raha to aka mbola tsy fantatra ny eto Madagasikara. Fantatra moa fa vonona amin’ny fifanomezan-tanana ho an’ireo mpandraharaha mazoto hiatrika ity hetsika ity ny tompon’andraikitra ka efa nampanantena fa hiantohan’izy ireo ny fiantranoana any an-toerana mandritra ny alina 3, ankoatry ny fihenam-bidy amin’ny zotram-piaramanidina. Fa mikasika ny fandraharaha dia nampahafantarin’ity tompon’andraikitra ity fa lafo loatra ny hetra alain’ny fankjakana amin’ny mpandraharaha vahiny ka mampihemotra ny fampiasam-bola eto Madagasikara izany, ary ankoatra izay dia ambany dia ambany ny sandam-bola Malagasy ka manahirana ny fifanakalozana. Isan’ny tolo-kevitra nentin’ity tompon’andraikitra ity araka izany ny hisian’ny fifanakalozana ara-bokatra mivantana toy ny ataon’izy ireo any Rosia satria nolazainy fa any izy ireo dia manafatra fiaramanidina mpiady ka menaka no takalon’izany ho an’ny Rosianina. Dia toy izany koa ny any Tailandy ka asa-tanana kosa no haondran’izy ireo any dia vary no takalony. Tsy voatery ho vola hoy izy no hifanakalozana satria rah any eto Vakinankaratra dia afaka mamokatra Saoja, izay tena ilain’izy ireo, dia anjaran’ny mpandraharaha no manafatra izay zavatra ilainy any Indonezia mifanentana amin’izany.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT