INDO-PAKISTANAIS ENY ANKARAOBATO

Mahatratra 98, lany “Visa” ny ankamaroany


  • Alarobia 17 Aprily 2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Ho an’ny kaominina Ankaraobato manokana dia fantatra fa miisa 98 izy ireo no monina ao an-toerana miparitaka amin’ireo Fokontany 6 amin’ny 7 mandrafitra ity kaominina ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia misy 26 isa izy ireo ny amin’ny Fokontany iray, misy 12, misy 30 mahery…. Fantatra fa teratany Karana efa lany taratasy fahafahana mivahiny an-tanin’olona nanomboka tamin’ny volana Novambra sy Desambra taona 2023 izy ireo na ny VISA. Mijanona eto Madagasikara aloha izy ireo noho izany mandra-pisian’ny fandraisana andraikitra hataon’ny fanjakana. Nomarihin’ireo mponina eny Ankaraobato moa fa endrik’olona somary sahirana ny ankamaroan’izy ireo. Tena tsy mahay miteny gasy na Frantsay ihany koa farafaharatsiny fa mampiasa tanana manondro rehefa hividy zavatra na hiala ao anaty taksibe. Amin’ny ankampobeny moa dia tokony ny delegem-panjakana ao anatin’ny kaominina iray no mampahafantatra ny fisian’ireny tera-tany vahiny lany taratasy ireny eny anivon’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny, hahafahan’ireto farany mandray fepetra.
Pati
Legende : Lehibe ihany ny kaominina Ankaraobato, antony hitangoronan’ireo tera-tany Karana lany taratasy ao an-toerana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT