Actualités

IMRA Avarabohitra Ordinatera iray nisy nangalatra


  • Zoma 24 Aprily 2020

Solosaina iray no fantatra fa nisy nangalatra tao amin’ny foiben-toeran’ny IMRA eny Avarabohitra Itaosy. Sendra nivoaka kely fotsiny ilay mpiasa raha ny loharanom-baovao no nisy nanararaotra nibata izany.

 

 

 

 

Tamin’ny alatsinainy lasa teo nandritra ilay lanonana natrehin’ny filoham-pirenena mivady nampahafantarana tamim-pomba ofisialy ny fisian’ilay tambavy CVO na covid organics no nisehoan’izany. Niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra tao an-toerana ary nametraka fitoriana contre X ilay tompony izay tsy iza fa ny tale ara-barotra ao an-toerana ihany. Tsiahivina moa fa nisokatra ny birao iray tao amin’ny IMRA tamin’io fotoana io. Nomarihin’ny mpitandro ny filaminana ary fa tsy marina ilay tsaho niely fa very niaraka tamin’io solosaina io ny voka-pikarohana hitan’ireo mpikaroka sy manam-pahaizana Malagasy avy ao amin’ny IMRA hahafahana miady amin’ny Covid 19. Mbola voatazona soa aman-tsara ao an-toerana io solosaina io hoy izy ireo noho izany tsy misy ny ahiana. Na izany aza mitohy ny fikarohana ilay tontakely mpanararaotra. Mpanararaotra fotsiny ve sa nanana tanjona mazava ilay mpangalatra, samy liana te hahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana ny rehetra satria voasokajy ho anisan'ireo toerana tena saropady eto Madagasikara ny IMRA eny Avarabohitra Itasosy ankehitriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT