IMERINTSIATOSIKA

Zazalahy kely hitan’ny olona tao anaty kitapo


  • Talata 05 Martsa 2024

Zazalahy kely iray manodidina ny 4 taona eo ho eo no fantatra fa

hitan’ny olona tao anaty kitapo afak’omaly Alahady 04 Martsa hariva teny Imerintsiatosika teny, distrikan’Arivonimamo. Tsy hay hoy ny loharanom-baovao azo na saika hatao inona ity zaza tsy manan-tsiny ity na saika hoaterina aiza, fa nisy olona tsara sitrapo namonjy azy ka avotra soa aman-tsara izy. Rehefa nanontaniana ity farany dia fantatra fa Safidy no anarany. 3 na 4 taona eo ho eo izy ary , Banane hono no anaran’ny dadany mpitarika posy raha Ravaka ny anaran-dReniny. Eny Avaradoha no nambarany fa misy ny fonenany. Notazonina tao amin’ny kaominina Imerintsiatosika moa ilay zaza hoy hatrany ny vaovao saingy tsy maintsy mandalo ao amin’ny polisy any an-toerana kosa ireo izay mahafantatra azy na ny fianakaviany. Tsiahivina fa lasa toerana nitrangan-javatra hafahafa ny tao Imerintsiatosika tato ho ato. Nangonin’i Pati
Legende : Mila ireo Ray aman-dReniny mafy i Safidikely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT