Actualités

Imerintsiatosika Olon-dehibe 3 sy zaza iray maty nilatsaham-baratra


  • Talata 17 Novambra 2020

Namono olona tany Imerintsiatosika sahady ny varatra ny faran’ny herinandro na dia vao misantatra ny fotoam-pahavaratra aza isika eto Madagasikara.

 

 

 Olon-dehibe telo ahitana vehivavy roa sy lehilahy iray no indray namoy ny ainy tamin’izany niampy zaza mbola minono iray. Raha araka ny fantatra dia samy tany an-tokantranony izy ireo no nilatsaham-baratra. Tao Soavinarivo sy Mahitsiarivo, samy anatin’ny fokontany Talatan’i Marimena ilay vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany mbola minono sy ilay vehivavy iray hafa no tratra. Ilay rangahy kosa tao Ambodiaviavy, fokontany Tsenamasoandro. Ho an’ireo vehivavy roa ireo dia samy teo am-panidiana varavaran-kely izy ireo no nilatsaka ilay varatra ka namono azy ireo avy hatrany sy ilay zaza tsy manan-tsiny ho an’ilay Reny iray. Ho an’ilay Rangahy kosa indray dia ny “antenne” ana vata fahitalavitra tao aminy no nilatsahan’ilay varatra ka tsy nanaiky izany raha tsy nahazo azy , antony namoizany ny ainy teo noho eo. Raha araka ny fantatra hatrany anefa dia tsy tena avy be ny orana tamin’io andro nisehoan’ny loza io.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT