Mitohy ny asa fampandrosoana ny tanàna tanterahin'ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika.
Taorian'ny fahavitan'ilay tetezana iray lehibe ao amin'ny fokontany Imerimandroso dia miroso amin'ny fanamboarana ny lalana ao amin'ny fokontany Tsarafaritra Tsiazomparara indray ny kaominina amin'izao fotoana. Omaly no natomboka ny asa vatsian'ny Micro Réalisation, sampandraharaha iray eo anivon'ny minisiteran'ny vola sy ny tetibola, vola. Haharitra telo volana ny asa. Ny anjara biriky entin'ny kaominina, araka ny fanazavan'ny Ben'ny tanàna Andriambolanarivo Parisoa, ny fanomezana torohevitra ny orinasa nahazo ny antoka, ny asa fanadiovana ny lalana amboarina izay efa noraisin'ny fokonolona an-tanana mba tsy hanelingelina ilay orinasa, eo ihany koa ny asa fanadiovana ny tata-drano. Mirefy 1.350m ity lalana ity, hatao rarivato avokoa. Omaly io ihany koa no nanomboka niasa tao amin'ilay Lapan'ny tanàna vaovao ireo mpiasan'ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika rehetra. Mbola teo am-panangonana ny fitaovana rehetra ilaina amin'izany mantsy ny Ben'ny tanàna sy ny ekipany taorian'ny 26 jona nanokanana ny trano vaovao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.