Actualités

Imerintsiatosika Ho vita atsy ho atsy ilay fonja manarapenitra


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Sambany no hisy fonja manara-penitra natokana ho an’ireo gadra tsy maty manota eto amintsika. Ao Imerintsiatosika no hanorenana izany foto-drafitrasa izany amina velanaran-tany 4800 m².

 

 

 

 

 

 Ahitana efitrano 16 isa io fonja io ka ho hita ao anatin’izany ny biraon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny hopitaly handraisana ireo voafonja tsy salama…. Amin’ny ankapobeny dia ireo gadra avy any Toamasina sy Ikelivondraka aloha no hafindra toerana ao amin’ity fonja vaovao ity izay kasaina hotokanana amin’ny faran’ny taona 2020 ho avy izao. 500 isa eo ho eo ireo gadra azony raisina, hahafahana mampihena ny tahan’ireo voafonja any amin’ny fonja hafa. Ho any amin’ny faritra avaratra manokana raha araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fitsarana dia efa avo telo heny amin’ny isan’ireo voafonja tokony horaisiny no noraisina izany hoe raha miisa 100 ny ara-dalana dia efa tafakatra 300 isa izany ankehitriny. Ezaka hotratrarin’ny Fitondram-panjakana araka izany ny hanangana fonja manara-penitra manerana ny Nosy hamindrana ireo voafonja mamita ny saziny izay tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon’izy ireny tanteraka. Tsara ho marihana fa efa tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina no nananganana ity fonja vaovao eny Imerintsiatosika ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT